Eto an-tany

Ady ny fiainana

          Asa na nofy na inona aloha,
         Tsy fantatro marina,
         Asa aho natory, na sendra nifoha,
         Ka sendra niarina !
.......................

Fa nandalo tanàna izay tena madio
Ara-pahasalamana
Ny tenako, hono, tamin'io andro io
Ka tena tamàna.

         Izay rehetra jerena dia mahavariana
         Fa tsara sy kanto ;
         Ny zaridaina, ny trano : toy ny kindriandriana
         Sy milantolanto.

Ny renirano mikoriana, ny saha maitso mavana,
Madera tazanina ;
Ny feom-boronkely mampanembona havana
Sy mahamanimanina.

         Finaritra ny saiko fa miantoka hasambarana
         Anivom-piadanana !
         Kanjo ity tanàna tsy fantatro anarana :
         Sarintsarim-pananana !!!

Satria aho taitra dia hitako maso
Fa ny tena iainana
Dia tanim-pahoriana sy tanin'ankaso
Mahabe fitarainana !

         Zava-tsarotra maro sy fahasahiranana
         No hita mazàna,
         Ary olana betsaka tsy hay tohanana
         Sady saro-bahàna.

Tsy mihontsona aho anefa mahita an'izany
Fa vonon-kihoitra
Satria fantatro fa ADY NY FIAINANA an-tany
Ka tsy maintsy mipoitra !

         Tsy manary toky ary tsy mety kivy,
         Tsy manaiky ho toro,
         Tsy mikoso-maso na koa ho raraka ivy
         Fa vonon-kijoro

HATRAMIN'NY FARANY ka tsy sanatria
Hanaiky lembenana,
Fa hiezaka hatrany hampahomby ny dia
Mba tsy hanenenana.

         Izaho amin'izany tsy mandeha irery
         Fa ny Tompo inoako
         No manampy ahy ary tena mijery
         Ny tolona imasoako !

Dieudonné RATSIMBAZAFY

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

"Tsy tsara raha irery ..."

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×